Matthew 6

1Mitandrema mba tsy hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo anatrehan’ny olona ianareo mba ho itan’izy ireo, fa raha tsy izany dia tsy hahazo ny valisoa avy amin’ny Rainareo izay any an-danitra. 2Noho izany rehefa maneho fihantrana ianareo, dia aza mitsoka trompetra misarika ny hafa tahaka ny ataon’ny mpiatsara velatsia any amin’ny synagoga sy eny amin’ny lalana, ka mba mety hahazo ny fideran’ny olona izy ireo. Lazaiko marina aminareo, fa izy ireo dia efa nandray ny valisoany.

3Fa rehefa maneho fihantrana ianareo, aza atao fantatrin’ny tananareo havia izay ataon’ny tananareo havanana, 4ka mba homena mangingina ny fanomezanareo. Avy eo ny Rainareo izay mahita amin’ny mangingina no hamaly soa anareo.

5Rehefa mivavaka ianareo, aza manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, fa izy ireo tia mijoro sy mivavaka eo amin’ny synagoga sy eo amoron-dalana, ka mba mety ho itan’ny olona. Lazaiko marina aminareo, fa izy ireo dia efa nandray ny valisoany. 6Fa ianareo, rehefa mivavaka, midira ao amin’ny efi-tranonareo. Hidio ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainareo izay ao amin’ny mangingina. Avy eo ny Rainareo izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anareo. 7Rehefa mivavaka ianareo, aza manao teny maro tsy misy ilàna azy tahaka ny ataon’ny Jentilisa, ny amin’ny fiheverany fa ho re izy ireo nohon’ny teny maro izay ataony.

8Noho izany, aza manao tahaka azy ireo, fa ny Rainareo dia efa mahafantatra ireo zavatra izay ilainareo mialohan’ny angatahanareo Aminy. 9Noho izany mivavaha tahaka izao hoe: ‘Rainay izay any an-danitra, ho hamasinina anie ny anaranao. 10Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

11Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay. 12Mamelà ny helokay, tahaka ny hamelanay izay meloka taminay. 13Ary aza mitondra anay amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy.’”[Fanamarihana: Ny dika teny taloha tsara indrindra dia manala ny hoe: “Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amen.”]

14Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo, dia hamela anareo ihany koa ny Rainareo izay any an-danitra. 15Fa raha tsy mamela ny hadisoan’izy ireo ianareo, dia tsy hamela ny hadisoanareo mihintsy ny Rainareo.

16Ankoatra izay, rehefa mifady hanina ianareo, aza mampiseho endrika mampalahelo tahaka ny ataon’ny mpiatsaravelatsihy, fa manaratsy tarehy izy ireo ka mba mety ho itan’ny olona fa tena mifady hanina. Lazaiko marina aminareo, fa efa nandray ny valisoany izy ireo. 17Fa ianao, rehefa mifady hanina, osory menaka ny lohanao ary sasao ny tarehinao, 18ka mba tsy ho itan’ny hafa hoe mifady hanina, fa amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina ihany; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly soa anao.

19Aza mitahiry ny harenareo ety an-tany, izay simbain’ny kalalao sy harafesina, ary hidiran’ireo mpangalatra an-keriny ka hangalatra. 20Fa kosa, tehirizo ny harenareo any an-danitra, izay tsy ho simban’ny kalalao sy harafesina, ary tsy hidiran’ireo mpangalatra an-keriny ka hangalatra. 21Fa izay misy ny harenao, no itoeran’ny fonao ihany koa.

22Ny maso no jiron’ny vatana. Noho izany, raha tsara ny masonao, dia ho feno fahazavana ny vatana rehetra. 23Fa raha ratsy ny masonao, dia ho feno haizina ny vatanao rehetra. Noho izany, raha maizina ny fahazavanaizay ao anatinao amin’izao, manao ahoana ny halehibehin’izany haizana izany! 24Tsy misy afaka hanompo tompo roa, fa hankahala ny iray izy ary hitia ny iray, raha tsy izany hanolo-tena ho an’ny iray ka hankahala ny iray hafa. Ianao dia tsy afaka hanompo an’Andriamanitra sy ny harena.

25Noho izany lazaiko aminareo, aza miahiahy momba ny ainareo, izay hohaninareo na izay hosotroinareo - na momba ny vatanareo, izay hotafianareo. Fa tsy lehibe noho ny sakafo va ny fiainana, ary ny vatana lehibe noho ny fitafiana? 26Jereo ireo vorona eny amin’ny habakabaka. Izy ireny dia tsy mamafy na mijinja na manangona ao an-tsompitra, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamahana azy ireny. Tsy sarobidy kokoa mihoatra ireny ve ianareo?

27Iza aminareo no afaka manampy hakio iray amin’ny andro hiainany amin’ny fanahiana? 28Nahoana ianareo no miahiahy momba ny fitafianareo? Saino ny momban’ny lilia eny amin’ny saha, ahoana ny fanirin’izy ireny. Tsy mba miasa izy ireny, ary tsy mamoly fitafiana. 29Lazaiko aminareo, fa na i Solomona aza amin’ny voninahiny rehetra dia tsy nitafy tahaka ny iray amin’ireny.

30Raha ampitafian’Andriamanitra tahaka izany ny ahitra any an-tsaha, izay rehetra misy anio sy rahampitso dia hatsipy ao am-patana, toy ny ahoana no ampitafiany anareo bebe kokoa, ianareo ry kely finoana? 31Noho izany aza miahiahy ka milaza hoe: ‘Inona no hohaninay?’ na hoe: ‘Inona no hosotroinay?’ na hoe: ‘Inona ny fitafiana ho anaovanay?’

32Fa ireo Jentilisa mitady ireo zavatra ireo, ary ny Rainareo izay any an-danitra dia mahafantatra fa mila ireo ianareo. 33Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia homena anareo ireo zavatra ireo. Noho izany, aza miahiahy ny ampitso, fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy ao aminy.

34

Copyright information for PltULB